Ny fanomanana fiarahana sosialy matetika dia manome fotoana ny ekipa mandrafitra, ny mpianatra sy ny fianakaviana hifankafantatra misimisy kokoa amin'ny alalan'ny fiaraha-misakafo sy fifanakalozana.
Rehefa nahavita ny fiofanana ka nahazo ny Diplaoma momba ny Toriteny manazava ny hevitry Baiboly (DTB) ny mpianatra iray, dia afaka ampidirina amin'ny tahala iraisan'ny maintimolalin'ny Seha-pampianarana Fitorian-teny 3M.
Ity tahala an-jotra ity dia mamela ireo mpianatra nahavita fianarana hampiranty ny mombamomba ny tenany manokana na ny seha-panompoana misy azy, mba hahafahan'ireo fiangonana an-toerana na ireo seha-panompoana hafa izay mitady mpitoriteny/mpampianatra ny Tenin'Andriamanitra mahatoky hahita izay olona ilainy. Ny tahala iraisan'ny maintimolaly dia natokana ho an'ireo izay nahavita fianarana ka mitahiry laza tsara amin'ny fanehoana fitondran-tena mendrika ny Tenin'Andriamanitra sy ny Vahoakanay.
Ny Seha-pampianarana Fitorian-teny 3M dia miroso miandalana ho isan'ireo toeram-pampiofanan'ny "The Master's Academy International (TMAI)". Ny fampianarana dia novolavolaina miaraka amin'ny TMAI ka isan'ireo "Certified Academic Programs (CAPs)" izay hahafahan'ny mpianatra mahazo ny fankatoavana avy amin'ny "TMAI International" rehefa vita soa aman-tsara ny fianarana.