3MPI Staff Faly Ravoahangy
fravoahangy@3mpi.org

Dr. Faly Ravoahangy

Filoha

I Faly Ravoahangy dia manompo amin’ny maha Filoahan’ny Seha-pampianarana Fitorian-Teny 3M azy. Niofana ho tantsambo manamboninahitra mpisahana andraikitra roa izy (Marine Marchande) talohan’ny niantsoan’ny Tompo azy ho amin'ny asa fanompoana amin'ny fitoriana Teny. Taorian'ny nahavitany ny fianarany ka nahazoany ny mari-pahaizana "Master of Divinity" tao amin'ny "The Master's Seminary" any Kalifornia, Etazonia, dia nirahina ho misionera ho aty an-tanindrazany eto Madagasikara izy ary nanorina ny Madagascar 3M, ministera iray izay miezaka ny hitady sy hamantatra, hampiofana ary hampitao ireo vao misandratra ny ho mpitarika eo anivon'ny fiangonana eto Madagasikara, ka ny fomba fiasa dia amin'ny fametrahana fiaraha-miasa amin’ireo rafitra efa misy. Nahazo ny mari-pahaizana ambony "Doctor of Ministry" momba ny sampam-pianarana Toriteny Manazava ny Hevitry ny Baiboly ihany koa izy tao amin'ny "The Master's Seminary" ihany. Mpitandrina sady loholona ao amin’ny Fiangonana Batista Biblika Ankadivato ao Antananarivo ihany koa izy ankehitriny. Fitahiana ho azy sy i Lily vadiny ny fananan'izy ireo zanaka 5 mianadahy dia I Daniel, Samuel, Emmanuelle, Gabrielle ary Rachel.
After completing His Master of Divinity at The Master’s Seminary in California, USA, he was sent to be a missionary in his own country of Madagascar where he started Madagascar 3M, a ministry endeavoring to identify, train and equip the next generation of church leaders in Madagascar in collaboration with existing structures.
He also obtained his Doctor of Ministry in Expository Preaching at The Master’s Seminary. He is also a pastor and elder at Ankadivato Biblical Baptist Church in Antananarivo. He and his wife Lily are blessed with 5 children : Daniel, Samuel, Emmanuelle, Gabrielle and Rachel.

Fianarana

  • D.Min. 2022, The Master’s Seminary
  • MDiv 2017, The Master's Seminary
mgMG