Haja Ralambomanana no misahana ny departemanta momba ny Fanompoan’ny Mpitandrina na Ministèra Pastoraly ao amin’ny Seha-pampianarana Fitorian-Teny 3M. Isan’ireo Loholona ao amin’ny Fiangonana Batista Biblika Ankadivato izy, ka misahana ny asan’ny Mpitandrina matihanina nanomboka tamin’ny taona 2018. Niofana tao amin’ny Christ Seminary (Polokwane, Afrika Atsimo) izy, izay nandraisany ny mari-pahaizana Bachelor of Theology (BTh) tamin’ny taona 2017, sady nianatra manokana ny asan’ny mpitandrina teo anivon’ny fiangonana Antioch Bible Church tany Johannesburg. Talohan’izany dia efa niasa taona vitsivitsy teo anivon’ny sehatry ny tontolo iainana sy ny tontolo ambanivohitra teto Madagasikara izy, rehefa nahazo ny mari-pahaizan’ny Ingénieur Agronome tao amin’ny Ecole Supérieur des Sciences Agronomiques (ESSA), Oniveristen’Antananarivo, tamin’ny taona 2006. Mankafy ny mamaky teny, ny manoratra, ny mitendry mozika, ny informatika, ary indrindra ny Tantara amin’ny lafiny rehetra izy (tantaram-pirenena, tantaran’ny fiangonana, sns.). Manambady an’Ianja, ary dadan’i Mahaly, Akasia ary Soa Anay.
Before his call to ministry, he has worked in the field of environment and rural development in Madagascar for a few years as he graduated in agriculture engineering in 2006 from the University of Antananarivo, Agricultural School or “Ecole Supérieur des Sciences Agronomiques (ESSA)”.
He enjoys reading, writing, playing music, information and technology, and especially history in all its aspects (national history, church history, etc.). Haja is married to Ianja, and father of three children: Mahaly, Akasia and Soa Anay.