Momba anay

Hahafantatra anay

Ny tanjon'ny Seha-pampianarana Fitorian-teny 3M dia ny hiara-miasa amin'ireo rafitra efa mijoro sy ireo mpiara-miombon'antoka rehetra ka hirotsaka an-tsehatra amin'ny famantarana, fampiofanana, ary fampitaovana lehilahy hianatra, hankatò ary hampianatra ny tenin'Andriamanitra. 

Ny seha-pampianarana dia seminera fianarana Baiboly in eto Madagasikara, izay mifantoka amin'ny fitorian-teny mamelabelatra ny Soratra Masina, mba hananganana andiana mpitondra fiangonana araka an'Andriamanitra, izay hahakasika ny fiainan'olona maro.

Ny Zavatra Ampianarinay

Ny fanambarana ara-potopampianarana voizinay dia mamintina ny zavatra inoanay manoloana ireo sokajy lehiben'ny fotopampianarana sy ny fomba fanao ampiharina. Mba hisorohana ny fivilian’ny fotopampianarana dia takiana ny fanaovan-tsonia isan-taonan'ireo eo anivon'ny fitarihana, ny fampianarana ary ny fitantanana ity foibe fanofanana ity ny fanambarana ara-potopampianarana voizina.

Ny Soratra Masina

Mampianatra izahay fa ny Baiboly dia fanambaranan’Andriamanitra voasoratra ho an’ny olombelona, ka ireo boky enina amby enimpolo ao amin’ny Baiboly izay nomen’ny Fanahy Masina antsika dia mahafaoka manontolo tsy misy anombinana (tsindrimandrin’Andriamanitra mitovy isaky ny antsipirihany avy) ny Tenin’Andriamanitra (1 Korintiana 2:7–14). ; 2 Petera 1:20–21)..

 

Mampianatra izahay fa ny Tenin’Andriamanitra dia fanambarana mampita mahatoky arak'izay tokony ampitaina (1 Tesaloniana 2:13; 1 Korintiana 2:13), naloaky ny tsindrimandrin'Andriamanitra ho araka ny fitenin'olombelona (2 Timoty 3:16), tsy misy diso mihitsy ao amin’ireo firaketana niandohany tany am-boalohany, tsy mety diso ary naloaky ny fofonain'Andriamanitra. Mampianatra izahay ny fandikana ny hevitry ny Soratra Masina ara￾bakiteny sy araka ny fitsipi-teny mifandraika amin'ny tian'ny mpanoratra lazaina ara-tantara, izay manamafy ny finoana fa ny toko fiatombohan'ny Baiboly ao amin’ny Genesisy dia mampiseho ny asa famoronana tao anatin’ny enina andro ara-bakiteny mihitsy (Genesisy 1:31; Eksodosy 31:17).

 

Mampianatra izahay fa ny Baiboly no hany fitsipika tsy mety diso momba ny finoana sy ny fanao (Matio 5:18; 24:35; Jaona 10:35; 16:12–13; 17:17; 1 Korintiana 2:13; 2 Timoty 3:15-17; Hebreo 4:12; 2 Petera 1:20–21)..

 

Mampianatra izahay fa Andriamanitra dia niteny tao amin'ny Teniny tamin'ny alalan'ny fiaraha-manoratra teo amin'Izy Tenany sy ireo olona nampanoratany izany. Ny Fanahy Masina dia nitarika am-pahafehezana aok'izany an'ireo olombelona mpanoratra, hany ka, tamin’ny alalan’ny toetran'izy ireo manokana avy sy ny fomba fanorany samihafa, dia nandrafitra sy nitana an-tsoratra ny Tenin’Andriamanitra ho an’ny olombelona izy ireo (2 Petera 1:20-21) tamin'ny fomba tsy nisy diso, na amin’ny fitambarany na amin’ny antsipirihany (Matio 5:18; 2 Timoty 3:16)Mampianatra izahay fa, na dia mety misy fampiharana maromaro aza ny andalan-tsoratra masina iray, dia iray ihany ny fandikana marina ny heviny. Ny hevitry ny Soratra Masina dia natao ho takatra rehefa ampiharin'izay mamaky azy amim-pahazotoana ny fomba fandikan-kevitra ara-bakiteny miorina amin'ny fitsipi-teny ara-tantara eo ambanin’ny fanilovan'ny Fanahy Masina (Jaona 7:17; 16:12–15; 1 Korintiana 2:7-15; 1 Jaona 2: 20).Andraikitry ny mpino ny mamantatra amin'ny fomba voakaly tsara izay tena nokasaina sy ny hevitry ny Soratra Masina, amin'ny fo miaiky fa ny fampiharana azy araka ny tokony ho izy dia mahenika ny taranaka mifandimby rehetra. Ary mainka aza fa ny fahamarinan’ny Soratra Masina dia fahefana mijoro ho fitsarana ny olona; ny olona kosa na oviana na oviana dia tsy afaka hijoro hitsara izany.

Andriamanitra

Mampianatra izahay fa tsy misy afa-tsy iray ihany no Andriamanitra velona sy marina (Deoteronomia 6:4; Isaia 45:5–7; 1 Korintiana 8:4)Fanahy tsy manam-petra sy tsy hita noanoa, mahalala ny zava-drehetra (Jaona 4:24), tonga lafatra amin’ny toetrany rehetra, Iray ihany amin'ny toetra maha Andriamanitra Azy ary misy mandrakizay ao amina persona telo— Ray, Zanaka ary Fanahy Masina (Matio 28:19; 2 Korintiana 13:14)— izay samy mendrika handray zara fiankohofana sy fankatoavana mitovy.

Andriamanitra Ray

Mampianatra izahay fa Andriamanitra Ray, ilay persona voalohany ao amin’Andriamanitra Telo Izay Iray, dia manendry sy mandahatra ny zavatra rehetra araka ny fikasany sy ny fahasoavany (Salamo 145:8-9; 1 Korintiana 8:6). Izy no Mpamorona ny zava-drehetra (Genesisy 1: 1-31; Efesiana 3:9). Amin’ny maha Mpifehy tokana hirihiriny sy mahefa Tsitoha indrindra Azy eo amin’izao rehetra izao, dia masi-mandidy amin'ny famoronana sy ny famatsiana ary ny fanavotana Izy (Salamo 103:19; Romana 11:36)). Ny maha Ray Azy dia sady miseho araka izay anarana entiny ao amin'ny Andriamanitra Telo Izay Irayno miseho koa amin'ny fifandraisany amin'ny olombelona. Amin’ny maha Mpamorona Azy dia Rain’ny olona rehetra Izy (Efesiana 4:6), fa Ray ara-panahy kosa Izy ho an’ireo izay efa mpino irery ihany (Romana 8:14; 2 Korintiana 6:18). Efa nodidiany ho an'ny voninahiny ny zava-mitranga rehetra (Efesiana 1:11). Mihazona mandrakariva sy mibaiko, mandidy ary mitantana ny zavaboary rehetra sy izay zava-mitranga rehetra Izy (1 Tantara 29:11).

Ao amin’ny fiandrianany Izy dia sady tsy loharano nampisy ny fahotana no sady tsy mankasitraka izany (Habakoka 1:13; Jaona 8:38-47), ary tsy mampihena ihany koa Izy ny anjara andraikitra hanadinana amin'ny zavaboary manan-tsaina sy mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy (1 Petera 1:17). Nifidy tamin-pahasoavana hatry ny mandrakizay taloha indrindra Izy an’ireo izay tiany ho Azy (Efesiana 1:4-6); Mamonjy ho afaka amin'ny ota izay rehetra manatona Azy amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Izy; Atsangany ho tonga anisan'ny Azy izay rehetra manatona Azy; ary dia manjary tonga Ray Izy, amin'ny fananganana anaka, ho an’izay efa Azy (Jaona 1:12; Romana 8:15; Galatiana 4:5; Hebreo 12:5–9 ).

Andriamanitra Zanaka

Mampianatra izahay fa i Jesosy Kristy, ilay persona faharoa ao amin’Andriamanitra Telo Izay Iray, dia manana ny fahatsarana rehetra maha Andriamanitra Azy, ary ao amin’ireo dia mitovy filaharana amin'ny Ray Izy, mitovy firafitra amam-pihiziana Aminy ary miara-misy mandrakizay Aminy (Jaona 10:30; 14:9).

 

Mampianatra izahay fa Andriamanitra Ray dia nahary araka ny sitrapony samirery, tamin’ny alalan’i Jesosy Kristy Zanany, izay avy amin'ny alalany no mbola itoeran’ny zavatra rehetra sy iasany avy (Jaona 1:3; Kolosiana 1:15-17; Hebreo 1:2).

 

Mampianatra izahay fa tamin’ny fahatongavany ho nofo, ny Zanaka mandrakizay doria, ilay olona faharoa ao amin’Andriamanitra Telo Izay Iray, tamin'ny fomba tsy nandefy ny toetra maha Andriamanitra Azy no sady tsy namoy na dia kely ny fihiziana maha Tsitoha Azy, dia nanao ny tenany ho tsy nanan-daza tamin’ny fakàny endrika ny maha olombelona feno tsy misy anombinana tahaka ny tenantsika, kanefa tsy nanana ota (Filipiana 2:5-8; Hebreo 4:15; 7:26).

 

Mampianatra izahay fa notorontoronin'ny Fanahy Masina tao an-kibon’i Maria virijiny Izy (Lioka 1:35) ka natera-behivavy (Galatiana 4:4-5), ary arak'izany ireo toetrany roa izay feno tanteraka sy lavorary ary miavaka tsara ireo, Andriamanitra sy Olombelona, dia nitambatra tao amina olona iray, tamin'ny fomba tsy misafotofoto, tsy miova, tsy mizara ary tsy misaraka. Ka tena Andriamanitra sy tena Olombelona tokoa Izy araka izany, nefa Kristy iray ihany, ilay hany mpanelanelana eo amin’Andriamanitra sy ny olona.

 

Mampianatra izahay fa tamin’ny fahatongavany ho nofo, Kristy dia nanana feno ny fihiziana sy ny toetoetra ary ny tombondahiny rehetra maha-Andriamanitra Azy (Kolosiana 2:9; jereo Lioka 5:18–26; Jaona 16:30; 20:28). Kanefa tao amin'ny fanebahana Azy ho tsinontsinona, dia tsy nasehony feno hatrany foana ny voninahitry ny fiandrianany, fa nataony takona izany tao ambadiky ny voaly maha-Olombelona tanteraka Azy (Matio 17:2; Marka 13:32; Filipiana 2:5–8). Araka ny toetra maha-Olombelona Azy, dia miasa eo ambany fanekena ny Ray Izy (Jaona 4:34; 5:19, 30; 6:38) noho ny herin’ny Fanahy Masina (Isaia 42:1; Matio 12:28; Lioka 4:1,14), na dia etsy andanin'izany araka ny maha-Andriamanitra Azy, dia miasa amin’ny fahefany sy ny heriny maha-Zanaka mandrakizay Azy Izy (Jaona 1:14; jereo 2:11; 10:37–38; 14:10–11).

 

Mampianatra izahay fa i Jesosy Kristy Tompontsika dia nahatanteraka ny fanavotana antsika tamin’ny fandatsahany ny rany sy tamin'ny nahafatesany ho sorona teo amin’ny hazo fijaliana, ary ny fahafatesany dia tamin-tsitrapo, natolony ho sitrahan'izay novonjeny, fisoloana voina ny meloka, onitra fampihavanana, ary lalam-panavotana (Jaona 10:15; Romana 3:24-25; 5:8; 1 Petera 2:24).

 

Mampianatra izahay fa miorina amin’ny herin’ny fahafatesana mandaitra an’i Jesosy Kristy Tompontsika, ny mpanota tonga mino dia afaka amin’ny famaizana, ny sazy, ny hery ary indray andro any ny fisian’ny ota mihitsy; ary ambara ho voamarina izy, nomena ny fiainana mandrakizay ary natsangana ho isan'ny ankohonan’Andriamanitra (Romana 3:25; 5:8–9; 2 Korintiana 5:14–15; 1 Petera 2:24; 3:18).

 

Mampianatra izahay fa ny fanamarinana antsika dia azo antoka noho ny fitsanganany ara￾bakiteny tamin'ny maty, fitsanganan'ny vatany, ary efa nampiakarina ho eo an-tanana ankavanan’ny Ray Izy ankehitriny, izay itoerany ho mpanelanelana Mpisolovava antsika sy Mpisoronabentsika (Matio 28:6; Lioka 24: 38–39; Asan’ny Apostoly 2:30–31; Romana 4:25; 8:34; Hebreo 7:25; 9:24; 1 Jaona 2:1).

 

Mampianatra izahay fa tamin’ny nitsanganan’i Jesosy Kristy tamin’ny maty avy tao am￾pasana dia nanamafy ny fihiziana maha-Andriamanitra Tsitoha ny Zanany Andriamanitra ary nanome porofo fa neken’Andriamanitra ny asam-panavotana nataon’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana. Ny fitsanganan’ny tenan'i Jesosy tamin’ny maty koa dia antoky ny fitsanganana amin’ny maty rahatrizay ho an’ny mpino rehetra (Jaona 5:26–29; 14:19; Romana 1:4; 4:25; 6:5–10; 1 Korintiana 15:20, 23 ).

 

Mampianatra izahay fa hiverina i Jesosy Kristy handray ny fiangonana, izay Tenany, ho eo Aminy amin’ny andro fampakarana, ary hiverina miaraka amin’ny fiangonany amim￾boninahitra, dia hanorina ny fanjakany arivo taona eto an-tany (Asan’ny Apostoly 1:9–11; 1 Tesaloniana 4: 13–18; Apokalypsy 20).

 

Mampianatra izahay fa i Jesosy Kristy Tompo no Ilay ho entin'Andriamanitra hitsarana ny olombelona rehetra (Jaona 5:22-23):

 

- Ireo mpino (1 Korintiana 3:10–15; 2 Korintiana 5:10)

- Ireo mponin’ny tany amin’ny andro fiverenany amim-boninahitra eny amin'ny rahon'ny anitra (Matio 25:31-46)

- Ireo maty nefa tsy nino eo anoloan'ny seza fiandrianana fotsy lehibe (Apokalypsy 20:11-15)

 

Amin'ny maha Mpanelanelana an'Andriamanitra sy ny olona Azy (1 Timoty 2:5), the Head of His Body the church (Ephesians 1:22; 5:23; Colossians 1:18), and the coming universal King, who will reign on the throne of David (Isaiah 9:6; Luke 1:31–33), He is the final Judge of all who fail to place their trust in Him as Lord and Savior (Matthew 25:14–46; Acts 17:30–31).

Andriamanitra Masina

Mampianatra izahay fa ny Fanahy Masina dia persona ao amin’Andriamanitra, mandrakizay, tsy nalaina avy tamin'ireo persona hafa, manana ny toetoetra maha-Izy Azy sy ny maha-Andriamanitra rehetra, anisan’izany ny saina (1 Corinthians 2:10–13), ny fihetseham-po (Efesiana 4:30), ny sitrapo (1 Korintiana 12:11), ny maha-mandrakizay (Hebreo 9:14), ny fisian'ny Tenany manenika n'aiza n'aiza (Salamo 139:7-10), ny fahalalana ny zavatra rehetra (Isaia 40:13-14), ny herim-pahefana tsy manam-petra (Romana 15:13), ary ny maha Fanahin'ny fahamarinana (Jaona 16:13). Manoloana ireo toetra maha-Andriamanitra rehetra dia mitovy filaharana sy mitovy firafitra amam-pihiziana amin’ny Ray sy ny Zanaka Izy (Matio 28:19; Asan’ny Apostoly 5:3–4; 28:25–26; 1 Korintiana 12:4–6; 2 Korintiana 13:14; ary Jeremia 31:31 34 sy ny Hebreo 10:15–17).

Mampianatra izahay fa asan’ny Fanahy Masina ny manatanteraka ny sitrapo masin’Andriamanitra mifandraika amin’ny olombelona rehetra. Miaiky izahay ny asany feno fiandrianana lehibe tamin’ny famoronana (Genesisy 1:2), tamin'ny fanatontosàna ny fahatongavana ho nofo (Matio 1:18), tamin'ny fanomezana ny fanambarana izay voarakitra an-tsoratra (2 Petera 1:20-21), ary ny asam-pamonjena (Jaona 3:5-7).

 

Mampianatra izahay fa ny asan’ny Fanahy Masina amin’izao vanim-potoana izao dia nanomboka tamin’ny andro Pentekosta rehefa nidina avy tamin’ny Ray Izy araka ny nampanantenain’i Kristy (Jaona 14:16-17; 15:26) mba hanomboka sy hamita ny fanorenana ny Tenan’i Kristy, izay tsy iza fa ny fiangonany (1 Korintiana 12:13). Midadasika ny fivelaran'ny sehatry ny asany masina ary anatin'izany ny fampiaikena an'izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana; ny fanomezam-boninahitra an’i Jesosy Kristy Tompo sy fanovana ny mpino ho tonga mitovy endrika amin’i Kristy (Jaona 16:7-9; Asan'ny Apostoly 1:5; 2:4; Romana 8:29; 2 Korintiana 3:18; Efesiana 2:22).

 

Mampianatra izahay fa ny Fanahy Masina no Mpanatanteraka masi-mandidy sy omban￾kery mahagaga mihoatra ny takatry ny saina mahatonga ny fahaterahana indray, sy manao batisa ny mpino rehetra ho amin’ny Tenan’i Kristy (1 Korintiana 12:13). Ny Fanahy Masina koa dia mitoetra, manamasina, mampianatra, manome hery azy ireo ho amin’ny fanompoana, ary manisy tombo-kase azy ireo ho amin’ny andro fanavotana (Romana 8:9; 2 Korintiana 3:6; Efesiana 1:13).

 

Mampianatra izahay fa ny Fanahy Masina no Mpampianatra avy amin'Andriamanitra, izay nitari-dalana ny apostoly sy ny mpaminany ho amin’ny fahamarinana rehetra rehefa nanolo￾tena hanoratra ny fanambaran’Andriamanitra izy ireo, dia ny Baiboly. Ny mpino tsirairay dia manana ny Fanahy Masina mitoetra ao anatiny manomboka amin'ny fotoana andraisany ny famonjena, ary andraikitr'izay rehetra nateraky ny Fanahy ny ho feno (fehezin’ny) Fanahy (Jaona 16:13; Romana 8:9; Efesiana 5:18; 2 Petera 1:19–21; 1 Jaona 2:20, 27).

 

Mampianatra izahay fa ny Fanahy Masina dia mizarazara ny fanomezam-pahasoavany ara￾panahy ho an’ny fiangonana. Ny Fanahy Masina dia tsy mampiseho ny voninahitry ny tenany na ny fanomezany amin’ny alalan’ny fihetsiketsehana ivelany feno fanehoan-kery, fa manome voninahitra an’i Kristy kosa Izy amin’ny fanatanterahana ny asany amin’ny fanavotana ny very sy ny fampitomboana ny mpino amin’ny finoana masina indrindra (Jaona 16:13–14; Asan’ny Apostoly 1:8; 1 Korintiana 12:4–11; 2 Korintiana 3:18).

 

Mampianatra izahay, araka izany, fa Andriamanitra Fanahy Masina dia masi-mandidy amin’ny fanolorana ny fanomezam-pahasoavany rehetra ho amin’ny fahatanterahan’ny olona masina amin’izao andro izao, ary ny fitenenana amin’ny fiteny tsy fantatra sy ny fiasan'ny famantarana amam-pahagagana tany am-piandohan’ny fiangonana dia natao ho fanondroana sy enti-manamarina tokoa ny apostoly ho mpanambara ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra, fa tsy natao ho marika mampiavaka ny fiainan’ny mpino velively (1Korintiana 12:4–11; 13:8–10; 2 Korintiana 12:12; Efesiana 4:7). —12; Hebreo 2:1–4)..

Ny olombelona

Mampianatra izahay fa noforonin’Andriamanitra mivantana sy teo no ho eo araka ny endriny sy amin’ny fitoviana Aminy ny olombelona. Nohariana tsy misy ota ny olombelona miaraka amina toetra mahay mandinika, marani-tsaina, manana finiavana, manira-tena, ary manana andraikitra hitondra tena araka ny fahefan’Andriamanitra (Genesisy 2:7, 15–25; Jakoba 3:9 ).

Mampianatra izahay fa ny fikasan’Andriamanitra tamin’ny namoronana ny olona dia ny hanomezany voninahitra an’Andriamanitra, ny hianoka ny firaisana amin’Andriamanitra, ny hiaina ny fiainany araka ny sitrapon’Andriamanitra, ary amin’izany dia mba hahatanteraka ny tanjon’Andriamanitra ho an’ny olombelona amin’izao tontolo izao ( Isaia 43:7; Kolosiana 1: 16; Apokalypsy 4:11).

Mampianatra izahay fa tamin’ny fahotan-tsy fankatoavan'i Adama ny sitrapon’Andriamanitra sy ny Teniny araka izay nambarany, dia very taminy ny toetra maha- tsy manan-tsiny azy ny olona; nampiditra tao anatiny ny sazim-pahafatesana ara-panahy sy ara-batana izy; nanjary iantefan'ny fahatezeran’Andriamanitra; ary nanjary simba hatrany anatiny sy tsy afaka mihitsy ny hisafidy na koa hanao izay ankasitrahan’Andriamanitra afa-tsy avy amin'ny fahasoavan’Andriamanitra ihany. Noho ny tsy fananany hery famerenana hanasitranana ny tenany, dia very tsy misy antenaina ny olombelona. Ny famonjena ny olona araka izany dia noho ny fahasoavan’Andriamanitra manontolo amin'ny alalan'ny asam- panavotana nataon’i Jesosy Kristy Tompontsika ( Genesisy 2:16–17; 3:1–19; Jaona 3:36; Romana 3:23; 6:23; 1 Korintiana 2:14 ). ; Efesiana 2:1–3; 1 Timoty 2:13–14; 1 Jaona 1:8).

Mampianatra izahay fa noho ny maha avy tao amin’i Adama ny olona rehetra, dia niampita tamin’ny olombelona tsy ankanavaka na firy taona na firy taona ny fahotan'i Adama, afa-tsy i Jesosy Kristy irery ihany izay misingana tsy voakasik'izany. Noho izany ny olona rehetra dia mpanota avy any an-kibon-dreniny araka ny natiorany, araka ny safidiny ary araka ny fanambaran’Andriamanitra ( Salamo 14:1–3; Jeremia 17:9; Romana 3:9–18, 23; 5:10–12 )

Ny Famonjena

Mampianatra izahay fa avy amin’Andriamanitra manontolo amin'ny fahasoavana ny famonjena noho ny fanavotan’i Jesosy Kristy, ny fahamendrehan’ny ra izay nalatsany, fa tsy noho ny fahamendrehan’ny olombelona na ny asa ( Jaona 1:12; Efesiana 1:7; 2: 8–10; 1 Petera 1:18–19).

Ny Fahaterahana Indray

Mampianatra izahay fa ny fahaterahana indray dia asa mahagaga ataon’ny Fanahy Masina izay anomezana ny maha-zanak'Andriamanitra sy ny fiombonam-piainana ao amin'Andriamanitra (Jaona 3:3–7; Titosy 3:5). Tanteraka eo no ho eo izany ary vokatry ny herin’ny Fanahy Masina irery ihany amin’ny alalan’ny fitaovan’ny Tenin’Andriamanitra (Jaona 5:24), rehefa mamaly amim-pinoana, noho ny fitarihan-tsain'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pamonjena avy amin’Andriamanitra ny mpanota izay mibebaka, Ny tena fahaterahana indray dia miseho amin’ny alalan’ny voa mendrika ny fibebahana, izay miseho amin’ny fihetsika sy fitondran-tena araka ny fahamarinana. Ny asa tsara no ho porofo sy voa izay maneho izany tokoa (1 Korintiana 6:19–20; Efesiana 2:10), ary hiainana mandrakariva izany raha mbola manaiky koa ny mpino ny fifehezan'ny Fanahy Masina eo amin’ny fiainany, amin’ny alalan’ny fankatoavana mahatoky ny Tenin’Andriamanitra ( Efesiana 5:17–21; Filipiana 2:12b; Kolosiana 3:16; 2 Petera 1:4–10 ). Izany fankatoavana izany dia mahatonga ny mpino hitovy endrika bebe kokoa hatrany hatrany amin’i Jesosy Kristy Tompontsika ( 2 Korintiana 3:18 ). Izany fitoviana hanahaka Azy izany dia hahatratra ny tendro fara tampony amin’ny andro fanomezam-boninahitra ny mpino amin’ny fiavian’i Kristy indray ( Romana 8:17; 2 Petera 1:4; 1 Jaona 3:2–3 ).

Ny Fifidianan'Andriamanitra

Mampianatra izahay fa ny fifidianan'Andriamanitra dia asany ka amin'izany dia nifidy tao amin’i Kristy Izy, talohan’ny nanorenana izao tontolo izao, an'ireo izay aterany indray sy vonjeny ary hamasininy amin-pahasoavana ( Romana 8:28–30; Efesiana 1:4–11; 2 Tesaloniana. 2:13; 2 Timoty 2:10; 1 Petera 1:1–2).

Mampianatra izahay fa ny fifidianan'Andriamanitra amin'ny fomba feno fiandrianana dia tsy manafoana na mifanipaka amin'ny andraikitry ny olona hibebaka sy hino amin-toky an’i Kristy ho Mpamonjy sy Tompo (Ezekiela 18:23, 32; 33:11; Jaona 3:18–19, 36; 5:40; Romana 9:22–23; 2 Tesaloniana 2:10–12; Apokalypsy 22:17). Na izany aza, koa satria ao amin'ny fahasoavana feno fiandrianana dia tafiditra ao ny fomba enti-mandray ny fanomezam-pamonjena sy ilay fanomezana mihitsy koa, ny vokatry ny fifidianana feno fiandrianana izany dia ho araka izay efa voatendrin'Andriamanitra. Izay rehetra antsoin’ny Ray ho Azy dia ho avy amin’ny finoana ary izay rehetra tonga amin’ny finoana dia horaisin’ny Ray (Jaona 6:37–40, 44; Asan’ny Apostoly 13:48; Jakoba 4:8 ).

Mampianatra izahay fa ny tombom-pitia tsy mahamendrika izay omen’Andriamanitra ho an’ny mpanota ratsy tanteraka dia tsy misy idiran'ny finiavana avy amin'ny tenany samirery na koa ny firosoan’Andriamanitra hanao mialoha izay dingana mety hataon'ny mpanota araka ny sitrapony, fa izany dia avy amin’ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny famindram-pony feno fiandrianana irery ihany (Efesiana 1: 4–7; Titosy 3:4–7; 1 Petera 1:2).

Mampianatra izahay fa tsy tokony hojerena ho toy ny mifototra amina fiandrianana tsy tena misy fa visavisaina fotsiny izany fifidianan'Andriamanitra izany. Fa tena manana kosa ny fiandrianany Andriamanitra, kanefa ny fampiasany izany fanapahana izany dia mifanindran-dalana amin’ireo toetrany hafa rehetra, indrindra fa ny fahaizany ny zavatra rehetra, ny fahamarinany, ny fahamasinany, ny fahendreny, ny fahasoavany ary ny fitiavany ( Romana 9:11–16 ). Io fiandrianana io dia hanandratra mandrakariva ny sitrapon’Andriamanitra amin’ny fomba mifanaraka tanteraka amin’ny toetrany izay naseho teo amin’ny fiainan’i Jesosy Kristy Tompontsika ( Matio 11:25–28; 2 Timoty 1:9 ).

Ny Fanamarinana

Mampianatra izahay fa ny fanamarinana eo anatrehan’Andriamanitra dia asan’Andriamanitra (Romana 8:33) izay anambarany ho marina ireo izay mibebaka amin’ny fahotany noho ny finoana an’i Kristy (Lioka 13:3; Asan’ny Apostoly 2:38; 3:19; 11:18; Romana 2:4; 2 Korintiana 7:10; Isaia 55:6–7) ary miaiky fa Izy no Tompo masi-mandidiny (Romana 10:9–10; 1 Korintiana 12:3; 2 Korintiana 4:5; Filipiana 2 : 11). Io fahamarinana io dia ivelan'izay fahatsarana na asan’olombelona (Romana 3:20; 4:6) ary mitaky ny famindrana ny fahotantsika ho amin’i Kristy (Kolosiana 2:14; 1 Petera 2:24) sy ny famindrana ny fahamarinan’i Kristy amin'ny tenantsika. (1 Korintiana 1:30; 2 Korintiana 5:21). Amin’izany fomba izany no ahafahan’Andriamanitra “ho marina sy ho mpanamarina izay mino an’i Jesosy.” (Romana 3:26).

Ny Fanamasinana

We teach that every believer is sanctified (set apart) unto God by justification and is therefore declared to be holy and is therefore identified as a saint. This sanctification is positional and instantaneous and should not be confused with progressive sanctification. This sanctification has to do with the believer’s standing, not his present walk or condition (Acts 20:32; 1 Corinthians 1:2, 30; 6:11; 2 Thessalonians 2:13; Hebrews 2:11; 3:1; 10:10, 14; 13:12; 1 Peter 1:2).

Mampianatra izahay fa misy ihany koa amin’ny asan’ny Fanahy Masina ny fanamasinana miandalana izay mampanakaiky kokoa ny toetran'ny mpino amin’ilay fiantsoana azy izay efa sitrahany noho ny fanamarinana. Amin’ny alalan’ny fankatoavana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanomezan-kery avy amin’ny Fanahy Masina no ahafahan’ny mino miaina fiainana mitombo amin’ny fahamasinana mifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra, ka manahaka bebe kokoa ho tonga mitovy an’i Jesosy Kristy Tompontsika (Jaona 17:17, 19; Romana 6:1–22; 2 Korintiana 3:18; 1 Tesaloniana 4:3–4; 5:23).

Amin’izany lafiny izany, dia mampianatra izahay fa ny olona voavonjy tsirairay dia miatrika ady isan’andro—ny fiainam-baovao ao amin’i Kristy miady amin’ny nofo—nefa ampy sy sahaza ny famatsiana mba hahazoana fandresena, amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina mitoetra ao anatiny. Ny tolona anefa dia mitoetra ao amin’ny mpino foana mandritra ity fiainana eto an-tany ity ary tsy mitsahatra tanteraka mihitsy. Ny filazana rehetra momba ny fanafoanana ny fahotana eto amin’ity fiainana ity dia tsy araka ny Soratra Masina. Ny famongorana ny ota dia tsy hisy, fa ny Fanahy Masina dia mamatsy mba ho fandresena ny ota (Galatiana 5:16–25; Efesiana 4:22–24; Filipiana 3:12; Kolosiana 3:9–10; 1 Petera 1:14– 16; 1 Jaona 3:5–9).

Ny Fiarovana

Mampianatra izahay fa izay nahazo fanavotana rehetra rehefa voavonjy dia voatahirin’ny herin’Andriamanitra ary noho izany dia voaaro ao amin’i Kristy mandrakizay ( Jaona 5:24; 6:37–40; 10:27–30; Romana 5:9–10; 8:1, 31 ). —39; 1 Korintiana 1:4–8; Efesiana 4:30; Hebreo 7:25; 13:5; 1 Petera 1:5; Joda 24).

Mampianatra izahay fa tombontsoa ho an’ny mpino ny mifaly amin’ny fahazoana antoka ny famonjena azy ireo amin’ny alalan’ny fijoroana vavolombelon’ny Tenin’Andriamanitra, izay mandrara mazava tsara anefa ny fampiasana ny fahafahana kristiana ho hirika ho an'ny fiainana feno fahotana sy ny filan'ny nofo (Romana 6:15–22; 13:13–14; Galatiana 5:13, 25–26; Titosy 2:11–14).

Ny Fisarahana

Mampianatra izahay fa ny fisarahana amin’ny ota dia antso avo mazava tsara manerana ny Testamenta Taloha sy Vaovao, ary ny Soratra Masina dia manambara mazava fa amin’ny andro farany dia hitombo ny fihemorana sy ny fiainana manaraka ny fanaon’izao tontolo izao (2 Korintiana 6:14–7:1; 2 Timoty 3:1– 5).

Mampianatra izahay fa noho ny fankasitrahana lalina ny fahasoavan’Andriamanitra izay nomena antsika nefa tsy mahamendrika antsika akory, sy ihany koa satria mendrika feno ny fanokanantsika tena tanteraka ilay Andriamanitsika be voninahitra, dia tokony hiaina amin’ny fomba maneho ny fitiavantsika an’Andriamanitra ny voavonjy rehetra, mba tsy hitondra fahafaham-baraka ho an'ny Tompo sy Mpamonjy antsika. Mampianatra koa izahay fa andidian’Andriamanitra antsika ny fialàna amin’ny fivadiham-pinoana rehetra sy ny fiainana araka izao tontolo izao ary ny fomba fanao feno fahotana. (Romana 12:1–2; 1 Korintiana 5:9–13; 2 Korintiana 6:14–7:1; 1 Jaona 2: 15–17; 2 Jaona 9–11).

Mampianatra izahay fa ny mpino dia tokony hiesotra mba ho ao amin’i Jesosy Kristy Tompontsika (2 Tesaloniana 1:11–12; Hebreo 12:1–2) ary manamafy fa ny fiainana kristiana dia fiainana feno fahamarinana noho ny fankatoavana, izay ahitana taratra ny fampianarana momba ireo fahasambarana (Matio 5. :2–12) ary fikatsahana hatrany ny fahamasinana (Romana 12:1–2; 2 Korintiana 7:1; Hebreo 12:14; Titosy 2:11–14; 1 Jaona 3:1–10 ).

Ny Fiangonana

Mampianatra izahay fa izay rehetra mametraka ny finoany an’i Jesosy Kristy dia apetraky ny Fanahy Masina avy hatrany ho anisan'ny Vatana ara-panahy iray, dia ny fiangonana (1 Korintiana 12:12-13), vady ampakarin’i Kristy (2 Korintiana 11:2; Efesiana 5: 23–32; Apokalypsy 19:7–8), izay i Kristy no Lohany (Efesiana 1:22; 5:23; Kolosiana 1:18)

 

Mampianatra izahay fa ny firafetan'ny fiangonana, ny Tenan’i Kristy, dia nanomboka tamin’ny Andro Pentekosta (Asan'ny Apostoly 2:1-21, 38-47) ary ho vita rafitra tanteraka amin’ny fiavian’i Kristy ho an’ny Azy amin’ny andro fampakarana (1 Korintiana 1. 15:51–52; 1 Tesaloniana 4:13–18).

 

Mampianatra izahay fa ny fiangonana araka izany dia aina ara-panahy tokana noforonin’i Kristy, ka ireo singa mandrafitra azy dia ny mpino rehetra nateraka indray amin’izao vanim￾potoana ankehitriny izao (Efesiana 2:11; 3:6). Ny fiangonana dia samy hafa amin’ny Isiraely (1 Korintiana 10:32), mistery izay tsy nambara mandraka izao (Efesiana 3:1-6; 5:32).

 

Mampianatra izahay fa ny fananganana sy ny fitohizan’ny fiangonana an-toerana dia ampianarina sy voafaritra mazava ao amin’ny Soratra Masina ao amin’ny Testamenta Vaovao (Asan’ny Apostoly 14:23, 27; 20:17, 28; Galatiana 1:2; Filipiana 1:1; 1 Tesaloniana 1:1; 2 Tesalonianina 1:1) ary ireo mpikambana mandrafitra ny Vatana ara-panahy tokana dia nodidiana hiombona miaraka ao amin’ireo fivoriam-piangonana misy eo an-toerana (1 Korintiana 11:18-20; Hebreo 10:25).

 

Mampianatra izahay fa ny fahefana fara tampony ho an’ny fiangonana dia i Kristy (1 Korintiana 11:3; Efesiana 1:22; Kolosiana 1:18) ary ny fitarihana, ireo fanomezana, ny fandrindrana, ny famaizana ary ny fanompoam-pivavahana ao amin'ny fiangonana dia voatendry araka nyfiandrianany toy izay hita ao amin’ny Soratra Masina. Ireo mpiandraikitra voatendry araka ny Baiboly manompo eo ambany fitarihan’i Kristy sy eo anivon’ny fiangonana dia ny loholona (antsoina koa hoe eveka, pasitera, ary mpampianatra mpitandrinaAsan'ny Apostoly 20:28; Efesiana 4:11) sy ny diakona, izay samy tsy maintsy mahafeno ireo fepetra voalazan'ny Baiboly ( 1 Timoty 3:1-13; Titosy 1:5–9; 1 Petera 5:1–5Mampianatra izahay da ireo mpitarika ireo dia mitarika na manapaka amin’ny maha-mpanompon’i Kristy azy (1 Timoty 5:17-22) ary manana ny fahefan'i Kristy amin’ny fitarihana ny fiangonana. Ny fivondronan'ny mpino manontolo isaky ny fiangonana an-toerana dia tokony hanaiky ny fitarihan'izy ireo (Hebreo 13:7, 17).

 

Mampianatra izahay ny maha-zava-dehibe ny fanaovana mpianatra (Matio 28:19-20; 3 Timoty 2:2), ny fifamatorana ho amin’ny fifampiarovam-panahy ara-tatitra eo amin’ny samy mpino (Matio 18:5-14), ary koa ny ilana famaizam-piangoanana amin'ireo mpikambana manota araka ny fitsipiky ny Soratra Masina (Matio 18:15–22; Asan’ny Apostoly 5:1–11; 1 Korintiana 5:1–13; 2 Tesaloniana 3:6–15; 1 Timoty 1:19–20; Titosy 1: 10–16).

 

Mampianatra izahay ny fahaleovantenan’ny fiangonana an-toerana, tsy misy fahefana na fifehezana avy any ivelany mihatra aminy, miaraka amin’ny zo hitantana ny tenany sy ny fahafahana amin’ny fitsabahan’ny fahefan'olona na fikambanana ivelany (Titosy 1:5). Mampianatra izahay fa araka ny Soratra Masina ny fiaraha-miasan’ny samy tena fiangonana marina, ho amin’ny fanehoana sy ny fampielezana ny finoana. Ny fiangonana an-toerana tsirairay anefa, amin’ny alalan’ireo loholona ao aminy sy ny fandikany ary ny fampiharany ny Soratra Masina, no tokony ho hany mpitsara mamaritra hoe hatraiza ary ahoana ny fomba fiaraha-miasany. Ny loholona dia tokony hamaritra ireo raharaha hafa rehetra momba ny maha-mpikambana, ny fitsipika ifampifehezana, ny famaizana, ny fanaovana asa soa sy fiantrana, ary ny fitantanana ihany koa (Asan’ny Apostoly 15:19–31; 20:28; 1 Korintiana 5:4–7, 13; 1 Petera 5:1–4 )..

 

Mampianatra izahay fa ny tanjon’ny fiangonana dia ny hanome voninahitra an’Andriamanitra (Efesiana 3:21) amin’ny alalan'ny fampiorenana ny tenany amin’ny finoana (Efesiana 4:13-16), amin’ny alalan’ny fampianarana ny Teny (2 Timoty 2:2, 15; 3;16-17), amin'ny alalan'ny fiombonana (Asan'ny Apostoly 2:47; 1 Jean 1:3), amin’ny fitandremana ireo sakramenta voafaritry ny Tenin’Andriamanitra (Lioka 22:19; Asan'ny Apostoly 2:38-42) ary amin’ny fampandrosoana sy ny fampitana ny filazantsara amin’izao tontolo izao (Matio 28:19; Asan'ny Apostoly 1:8; 2:42).

 

Mampianatra izahay ny fiantsoana ny olona masina rehetra ho amin’ny asa fanompoana (1 Korintiana 15:58; Efesiana 4:12; Apokalypsy 22:12).

 

Mampianatra izahay ny filana ny fiangonana ho mpiara-miasa amin’Andriamanitra raha eo am-panatanterahany ny fikasany eo amin’izao tontolo izao Izy. Enti-manatanteraka izany dia manome ny fiangonana ireo fanomezam-pahasoavana ara-panahy Izy. Voalohany, manome ireo lehilahy izay voafidy Izy mba ho fampitaovana ny olona masina ho afaka manatanteraka ny asa fanompoana (Efesiana 4 :7-12), ary omeny koa ny fahaiza-manao ara-panahy manokana sy miavaka isambatan’olona ho an'ny mpikambana tsirairay ao amin’ny Tenan’i Kristy (Romana 12:5 —8; 1 Korintiana 12:4–31; 1 Petera 4:10–11).

 

Mampianatra izahay fa misy karazana roa ny fanomezam-pahasoavana nomena ny fiangonana voalohany tany am-piandohany: fanomezam-pahasoavana feno fahagagana dia ny fanambarana avy amin’Andriamanitra sy ny fanasitranana, nomena tamina fotoana voafetra hatreo amin'ny andron’ny apostoly mba hanamafisana ny maha-tena izy azo itokiana ny hafatr’ireo apostoly (Hebreo 2:3, 4; 2 Korintiana 2. 12:12); ary faharoa dia ny fanomezam￾pahasoavana ho enti-manompo amin'ny ministera fitoriana, nomena mba hampitaovana ny mpino ho afaka hifampandroso. Koa satria efa feno ankehitriny ny fanambaràna ao amin’ny Testamenta Vaovao, ny Soratra Masina irery ihany no hany andrefesana ny maha-azo itokiana ny hafatry ny olona iray, ary tsy ilaina intsony ny fanomezam-panamarinana feno fahagagana mba hanekena ny olona iray na ny hafany. (1 Korintiana 13:8-12). Ny fanomezam￾pahasoavana mahagaga aza dia mety ho sandohan'i Satana mba entina mamitaka, eny fa na dia ny mpino aza (1 Korintiana 13:13-14:12; Apokalypsy 13:13-14). Ny hany fanomezam￾pahasoavana miasa amin’izao fotoana izao dia ireo fanomezam-pahasoavan'ny fampitaovana izay tsy misy fanambarana vaovao intsony, nomena mba ho amin’ny fitomboana amin'ny finoana (Romana 12 : 6-8)Mampianatra izahay fa tsy misy manana ny fanomezam￾pahasoavan’ny fanasitranana intsony ankehitriny, fa Andriamanitra kosa dia mihaino sy manisy valiny ny vavaka feno finoana ary hamaly araka ny sitrapony lavorary ho an’ny marary sy ny mijaly ary ny ory (Lioka 18:1–6; Jaona 5:7–9; 2 Korintiana 12:6–10; Jakoba 5:13–16; 1 Jaona 5:14–15).

 

Mampianatra izahay fa fomba ara-tsakramenta roa no natolotra ho tanterahan'ny fiangonana an-toerana: ny batisa sy ny fanasan’ny Tompo (Asan'ny Apostoly 2:38-42). Ny batisa kristiana asitrika (Asan'ny Apostoly 8:36-39) no fijoroana vavolombelona miezinezina sy maha-te hidera ataon’ny mpino anehoana ny finoany an’ilay Mpamonjy nohomboana sy nalevina ary nitsangana tamin’ny maty, ary ny firaisana Aminy ao amin’ny fahafatesana amin’ny fahotana sy ny fitsanganana amin’ny maty ho amin’ny fiainana vaovao (Romana 6:1-11). Izany koa dia famantarana ny fiombonana sy marika maha-anisan'ny Tenan’i Kristy (Acts 2:41-42).

 

Mampianatra izahay fa ny fanasan’ny Tompo dia fahatsiarovana sy fanambarana ny nahafatesany mandra-pihaviny, ary tokony ialohavan’ny fandinihan-tena lalina mandrakariva (1 Korintiana 11:28-32). Mampianatra koa izahay fa na dia marika fanehoana ny nofo sy ran’i Kristy fotsiny ihany aza ireo singa ao amin’ny fandraisana, ny fanasan’ny Tompo kosa dia tena fiombonana amin’i Kristy nitsangana tamin’ny maty izay mitoetra sy manatrika amin’ny fomba tokana, dia ny fiarahana amin’ny olony (1 Korintiana 10:16).

Ny Anjely

Ireo Anjely Masina

Mampianatra izahay fa ny anjely dia voary noforonina ary noho izany dia tsy natao hivavahana. Na dia manana fitoerana ambony kokoa noho ny olombelona aza izy ireo, dia noforonina mba hanompo an’Andriamanitra sy hivavaka Aminy (Lioka 2:9–14; Hebreo 1:6–7, 14; 2:6–7; Apokalypsy 5:11–14 ; 19:10; 22:9).

 

Ireo Anjely Nazera

Mampianatra izahay fa i Satana dia anjely noforonina ary izy no fototry ny fahotana. Nampiditra ny tenany ho amin'ny fitsaran’Andriamanitra izy tamin’ny fikomiana nanoloana ny Mpamorona azy (Isaia 14:12-17; Ezekiela 28:11-19), tamin’ny fitondrana anjely maro niaraka taminy tamin’ny fianjeràny ho ety an-tany (Matio 25:41; Apokalypsy 12:1-14), ary tamin’ny fampidirana ny ota teo amin’ny taranak’olombelona tamin’ny nakany fanahy an’i Eva (Genesisy 3:1-15).

 

Mampianatra izahay fa i Satana no fahavalon'Andriamanitra sy ny olona miharihary sy nambara imaso (Isaia 14:13–14; Matio 4:1–11; Apokalypsy 12:9–10); izy ilay andrianan’izao tontolo izao, izay efa resy tamin’ny nahafatesan’i Jesosy Kristy sy ny nitsanganany tamin’ny maty (Romana 16:20); ary hosaziana mandrakizay ao amin’ny farihy afo izy ( Isaia 14:12–17; Ezekiela 28:11–19; Matio 25:41; Apokalypsy 20:10 ).

Ny Eskatolojia

Ny Fahafatesana

Mampianatra izahay fa: ny fahafatesana ara-batana dia tsy mahafoana ny fahatsiarovan￾tena ivelan'ny nofo (Apokalypsy 6:9-11)fa: ny fanahin’ny voavonjy dia mandeha avy hatrany ho eo anatrehan’i Kristy (Lioka 23:43; Filipiana 1:23; 2 Korintiana 5:8), fa: misy ny fisarahan’ny fanahy sy ny vatana (Filipiana 1:21-24), ary ho an’ny voavonjy, izany fisarahana izany dia hitohy mandra-pahatongan’ny andro fampakarana (1 Tesaloniana 4:13-17), izay fiandohan'ny fitsanganana voalohany (Apokalypsy 20:4-6)), rehefa hatambatra indray ny fanahintsika sy ny vatantsika mba homem-boninahitra mandrakizay miaraka amin’ny Tompontsika (Filipiana 3:21; 1 Korintiana 15:35-44, 50-54). Mandra-pahatongan’izany fotoana izany, ny fanahin'ny voavonjy ao amin'i Kristy dia mitoetra am-pifaliana ao amin’ny fiombonana amin’i Jesosy Kristy Tompontsika (2 Korintiana 5:8).

 

Mampianatra izahay ny fitsanganan’ny nofon'ny olombelona rehetra amin’ny maty, dia ny voavonjy ho amin’ny fiainana mandrakizay ( Jaona 6:39; Romana 8:10–11, 19–23; 2 Korintiana 4:14 ), ary ny tsy voavonjy ho amin’ny fitsarana sy ny famaizana mandrakizay (Daniela 12:2; Jaona 5:29; Apokalypsy 20:13–15).

 

Mampianatra izahay fa amin’ny fahafatesana, ny fanahin’ny tsy voavonjy dia voatazona eo ambanin’ny famaizana mandra-pahatongan’ny fitsanganana faharoa (Lioka 16:19–26; Apokalypsy 20:13–15), rehefa ho tafaray ny fanahy sy ny vatana izay hatsangana amin’ny maty indray (Jaona 5:28-29). Dia hiseho manoloana ny fitsarana eo amin'ny seza fiandrianana fotsy lehibe izy ireo (Apokalypsy 20:11-15) ary hatsipy any amin’ny helo, dia ny farihy afo (Matio 25:41-46), hofongorana lavitra ny fiainan’Andriamanitra mandrakizay (Daniela 12: 2; Matio 25:41–46; 2 Tesaloniana 1:7–9).

 

Ny Fampakarana ny Fiangonana

Mampianatra izahay ny fiverenan’i Jesosy Kristy Tompontsika izy tenany sy ara-batana alohan’ny fahoriana lehibe fito taona (1 Tesaloniana 4:16; Titosy 2:13) mba hamindrana ny fiangonany miala eto amin’ity tany ity (Jaona 14:1–3; 1 Korintiana 15:51–53; 1 Tesaloniana 4:15–5:11) ary koa mba, eo anelanelan’izany fisehoan-javatra izany sy ny fiverenany amim￾boninahitra miaraka amin’ny olony masina, hamaly soa ny mpino araka ny asany avy (1 Korintiana 3:11–15; 2 Korintiana 5:10 ).

 

Ny Vanim-potoanan'ny Fahoriana

Mampianatra izahay fa vantany vao voaesotra miala tsy ho eto an-tany intsony ny fiangonana (Jaona 14:1-3; 1 Tesaloniana 4:13-18) dia hihatra eo amin’izao tontolo izao tsy mino ireo fitsarana marin’Andriamanitra (Jeremia 30:7; Daniela 9:27; 12:1; 2 Tesaloniana 2:7–12; Apokalypsy 16), ary ireo fitsarana ireo dia ho tonga amin'ny endriny fara tampony amin’ny fotoana hiverenan’i Kristy amim-boninahitra eto an-tany (Matio 24:27–31; 25:31 46; 2 Tesaloniana 2:7–12). Amin’izay fotoana izay, ny olona masina tao amin’ny Testamenta Taloha sy ny tamin'ny andro fahoriana dia hatsangana ary ny velona dia hotsaraina (Daniela 12:2-3; Apokalypsy 20:4-6). Ao anatin'io vanim-potoana io dia tafiditra ho anisany ny herinandro fahafitopolo amin’ny faminanian’i Daniela (Daniela 9:24-27; Matio 24:15-31; 25:31-46).

 

Ny Fiaviana Fanindroany sy ny Fanjakana Arivo Taona

Mampianatra izahay fa, aorian’ny fotoam-pahoriana, dia ho avy eto an-tany i Kristy mba hipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’i Davida (Matio 25:31; Lioka 1:31–33; Asan’ny Apostoly 1:10–11; 2:29–30) ary hampiorina ny fanjakany maha Mesia Azy arivo taona eto an-tany (Apokalypsy 20:1-7). Mandritra izany fotoana izany dia hiara-manjaka Aminy amin’i Isiraely sy amin’ny firenena rehetra ambonin’ny tany ireo olona masina nitsangana tamin’ny maty (Ezekiela 37:21–28; Daniela 7:17–22; Apokalypsy 19:11–16). Izany fanjakana izany dia hialohavan’ny fanonganana ny antikristy sy ny mpaminany sandoka, ary ny fanesorana an’i Satana tsy ho eo amin’izao tontolo izao (Daniela 7:17-27; Apokalypsy 20:1-7).

 

Mampianatra izahay fa io fanjakana io no ho fahatanterahan’ny fampanantenan’Andriamanitra ho an’ny Isiraely (Isaia 65:17–25; Ezekiela 37:21–28; Zakaria 8:1–17) hamerenana azy ireo amin’ny tany izay nesorina tsy ho azy noho ny tsy fankatoavany (Deotoronomia 28:15-68). Vokatry ny tsy fankatoavan’izy ireo dia nafoy nandritra ny fotoana voafetra ny Isiraely mandrapiveriny (Matio 21:43; Romana 11:1-26) fa hofohazina indray amin’ny alalan’ny fibebahana izy mba hiditra ao amin’ny tany fitahiana (Jeremia 31:31–34; Ezekiela 36: 22–32; Romana 11:25–29).

 

Mampianatra izahay fa io fotoanam-panjakan’ny Tompontsika io dia ho henika ny firindrana, ny rariny, ny fiadanana, ny fahamarinana ary ny fahaelana velona (Isaia 11; 65:17–25; Ezekiela 36:33–38), ary ny fahataperany dia amin’ny alalan’ny famotsorana an’i Satana (Apokalypsy 20:7).

 

Ny Fitsarana ny Very

Mampianatra izahay fa rehefa voavotsotra i Satana aorian’ny fanjakan’i Kristy arivo taona (Apokalypsy 20:7), dia hamitaka ireo firenena ambonin’ny tany izy ary hanangona azy ireo hiady amin’ny olona masina sy ny tanàna malala, ka amin’izay fotoana izay i Satana sy ny miaramilany dia ho levon’ny afo avy any an-danitra (Apokalypsy 20:9 ). Aorian’izany, dia hatsipy any amin’ny farihy afo sy solifara i Satana (Matio 25:41; Apokalypsy 20:10) ka i Kristy, izay Mpitsara ny olona rehetra (Jaona 5:22), dia hanangana sy hitsara ny lehibe sy ny kely eo amin’ny fitsaran'ny seza fiandrianana fotsy lehibe.

 

Mampianatra izahay fa io fitsanganan’ny maty tsy voavonjy ho amin’ny fitsarana io dia fitsanganan'ny vatana, ka rehefa mandray ny fitsarana azy izy (Jaona 5:28,29), dia hatolotra amin’ny famaizana mandrakizay tsapan'ny aina ao amin’ny farihy afo izy ireo (Matio 25:41; Apokalypsy 20:11-15).

 

Ny Mandrakizay

Mampianatra izahay fa aorian’ny fanaperana ny arivo taona, ny fanafahana vetivety an’i Satana, ary ny fitsarana ny tsy mpino (2 Tesaloniana 1:9; Apokalypsy 20:7-15), ny voavonjy dia hiditra ao amin’ny voninahitra mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra, ary aorian’izany ny singa rehetran'ity tany ity dia ho levona (2 Petera 3:10) ary hisolo tany vaovao ka fahamarinana irery ihany no hitoetra ao anatiny (Efesiana 5:5; Apokalypsy 20:15, 21-22). Aorian’izany, dia hidina avy any an-danitra ilay tanàna masina (Apokalypsy 21:2) ary ho fonenan’ny olona masina, izay hananany firaisana mandrakizay amin’Andriamanitra sy amin’ny samy olona masina (Jaona 17:3; Apokalypsy 21-22). I Jesosy Kristy Tompontsika, rehefa nahavita ny iraka fanavotana nataony, dia hanolotra ny fanjakana ho an’Andriamanitra Ray (1 Korintiana 15:24-28) mba hanjakan’Izy Andriamanitra Telo Izay Iray amin’ny lafiny rehetra mandrakizay mandrakizay (1 Korintiana 15:28).

Soatoavim-pampianarana

Hanaraka sy hikendry

Hihazona

Hanatsara rafitra

Hanindry Hatrany

Hanasongandina

Ny hanaraka sy hikendry mandrakariva, amin'ny fomba tsy mihozongozona, ny tanjona fototra dia ny fanofanana mpitandrina mba hiandry sy hampitao ny fiangonan’i Kristy.

Ny hihazona ny Seha-pampianarana Fitorian-Teny 3M (TFT-3M) ho mahatoky amin'ireo fototra ara-baiboly izay iorenany. Ny votoatin-desona ara-Baiboly rehetra dia kendrena hiorina foana amin'ny Tenin'Andriamanitra tsy misy diso, ary volavolaina amin'ny alàlan'ny dingan'ny famoahan-kevitra ara-hodidina ny Baiboly. Ny fandaharam-pianarana dia tsy maintsy maneho mandrakariva ireo marina araka ny Soratra Masina tsy ozongozonina sy tsy lefin'ny vanim-potoana mba hialana amin'ny fiviliana amin'ny fahamarinan'Andriamanitra.

Ny hanatsara rafitra ny fitarihana ivondronan'ny mpampianatra eo amin'ny toerampiofanana. Ny mpikambana tsirairay ao amin'ny rafitra mampianatra ato amin'ny Seha-pampianarana Fitorian-Teny 3M (TFT-3M) dia mahavaly ireto toetra enina takiana ireto, ka izy rehetra dia mba ho lehilahin'Andriamanitra, lehilahin'ny Teny, lehilahy mazoto amin'ny fandalinam-pahalalàna, lehilahin'ny fiangonan'i Kristy, lehilahin'ny vavaka, ary lehilahin'ny fangorahana. Ankoatra izay dia misy ny fampifanarahana fotopampianarana eo amin'ny mpikambana tsirairay ao amin'ny rafitra mampianatra.

Ny hanindry hatrany ny fotokevitra fanabeazana voizina mifanaraka amin'ny Soratra Masina, amin'ny alalan'ny:

• Fifotorana amin'ny fahatokisana ara-Baiboly, fa tsy fisalasalana na teoria
• Fikelezana aina ny mba handrafitra fiainam-panahy ho an'ny mpianatry ny Seha-pampianarana Fitorian-Teny 3M (TFT-3M) fa tsy fahalalinan-tsaina avara-pianarana fotsiny.
• Fanomanana ny lehilahy ho tonga mpanompo ny Tompo, fa tsy ny hahalala ny Tompo fotsiny.
• Fanasongadinana fomba fianarana ny Soratra Masina amina fomba manara-drafitra sy feno fifehezana fa tsy amin’ny fomba tandrametaka na ala safay.
• Mamporisika ny hanomezana ny tsara indrindra ary tsy manaiky mihitsy ny tsy fahaizana, ny hakamoana na ny zara fa afaka.
• Fiandrandràna ny mpampianatra ho ohatra fakan-tahaka fa tsy manam-pahaizana fotsiny
• Fanizingizinana ny tsy maintsy hiasana ao anatin'ny tenan’i Kristy, fa tsy amin’ny maha-olon-tokana misingana irery.

Ny hanasongadina ireo tanjona voafaritra tsara ao amin’ny Seha-pampianarana Fitorian-Teny 3M (TFT-3M)—na eo amin'ny sehatry ny tena manokana na ny ara-pastoraly.

Amin'ny tena manokana
• Ny hanolokolo fifandraisana masina sy akaiky eo amin’ny samy mpianatra sy amin’Andriamanitra
• Mba hamolavoala lehilahy manana fo mangoraka ka manana fifandraisana feno fahasoavana amin'ny hafa

Ara-pastoraly
• Ny hianatra amin'ny fomba lalina, marina, mazava ny Tenin’Andriamanitra
• Ny hitory ny hafatr’Andriamanitra amin-kery sy havitrihana
• Ny hanompo enti-manatratra ny fikasan’Andriamanitra amim-pahazotoana.
• Ny hiandry amim-pitandremana ny ondrin’Andriamanitra
• Ny hiady amin-kerim-po ny adin’Andriamanitra

Logo 3MPi

Ireo Vondron'ny Mpampianatra sy Mpitarika

Firafitry ny Mpampianatra
3MPI Staff Faly Ravoahangy

Dr. Faly Ravoahangy

Filoha

– D.Min. 2022, The Master’s Seminary
-MDiv 2017, The Master’s Seminary

Fanampiny
3MPI Staff David Ellingson

David Ellingson

Tonia Akademika

– M.Div, 2018, The Master’s Seminary

Fanampiny
3MPI staff Haja Ralambomanana

Haja Ralambomanana

Tonian'ny mpianatra

– B.Th. 2017, Christ Seminary

Fanampiny
Ny Ekipa Miara-miasa
3MPI staff Avo

Avotriniaina Ravelo

Tale Mpanatanteraka ao amin'ny 3M

Chemical Engineering Degree

3MPI Oliva

Oliva Randrianarijaona

Mpitantana ara-bola sy fandraharaharan'ny 3M

Fotodrafitrasa

Ny ambaindain'ny trano fianarana ato amin'ny Seha-pampianarana Fitorian-Teny 3M dia ahitana efitrano fianarana roa lehibe, trano fampirantiana sy fivarotana boky, efitrano fikaroha-manokan'ny mpianatra, trano fitokanana am-bavaka, efitrano fivoriana, ary koa efitrano hipetrahan'ny mpianatra manao kilasimandry.

Tranom-boky sy Toeram-pihinana Sakafo Maivana

Ny eo anivon'ny fitantanan'ny Seha-pampianarana Fitorian-Teny 3M dia manolo-tena mba hanisy tahirim-boky ary fenitra matanjaka izay samy ahitana na ireo boky tsapain-tanana izany na ireo boky araka ny teknolojia nomerika vakiana amin'ny efi-jery, lahatsoratra famakafakana teolojika ary koa ireo fitaovam-pikarohana hafa hanampy amin'ny fianarana. Fanampin'izany dia hisy ihany koa toeram-pihinana sakafo maivana sy trano famakiam-boky hatsangana tsy ho ela ho an'ny mpianatra sy ny mpampianatra rehetra

Tantaran'ny Seha-pampianarana Fitorian-teny 3M

Eto anivona firenena izay kikisan'ny fampifangaroam-pivavahana noho ny fifikirana ara-kolontsaina mino ny fanahy manetsika ny natiora, sy ahitana koa ny finoana silamo mihanaka tsikelikely ary ireo andiam-pivavahana mifototra amin'ny filazantsaran'ny fahombiazana, misy ihany noho ny fahasoavan'Andriamanitra fiangonana vitsivitsy mbola mihazona sy mahatoky amin'ny fahamarinana ara-Baiboly.

Ny antokom-pinoana tokana izay nihazona ny fotokevitra tranainy dia ny FFBBM (Fivondronan’ny Fiangonana Batista Biblika eto Madagasikara) Amin'izao fotoana izao, manodidina ny 140 fiangonana no mivondrona ao anatin'ny fikambanana FFBM izay mieli-patrana manerana ny nosy ary ny ankamaroany dia fiangonana any ambanivohitra 60 ka hatramin'ny 65% amin'ny mpitandrina an'ireo fiangonana ireo no zara fa nahazo na tsy nahazo mihitsy fianarana teolojia. Mbola maro ihany koa ny olona monina amina tanàna lavitra no tsy mbola nahare ny Filazantsaran’I Jesosy Kristy.

Ny antokom-pinoana hafa miara-miasa amin’ny Madagascar 3M izay mety manana fiangonana mihazona ny fahamarinana ara-baiboly ihany koa dia ny FJKM, METM, CEIM, ary TCC.

Ny Tompo dia miasa amin'ny fananganana taranaka vaovao misy mpitarika voaofana ao anatin'ireo antokom-pinoana ireo ary ezaka lehibe no atao amin'izao fotoana izao mba hahatonga ny fiofanana ho afaka sitrahan’ny mpitandrina. Misy fiofanana mandeha araka ny lohahevitra atolotra any amin'ny faritra sasany. Ny FBBM koa dia manana seminera ao Antsirabe, 193 km miala an’Antananarivo renivohitra. Misy seminera evanjelika efatra hafa koa eto Antananarivo, izay antsoina hoe FJKM Ambatonakanga, FJKM Ivato, CEFOI, ary ISTE. Na izany aza, tsy misy amin'ireo seminera ireo no tena mifantoka amin'ny toriteny manazava ny hevitry ny Baiboly.

Andriamanitra dia miasa amin'ny fampivondronana mpampianatra ho an'ny seha-pampianarana. Ankoatra ireo nahazo diplaoma tao amin’ny The Master’s Seminary (TMS), David Ellingson sy Faly Ravoahangy, ny andiany voalohany mandrafitra ny mpampianatra dia ahitana ny Pasitera Haja Ralambomanana sy Hasiniaina Razafinjato. Samy nahazo diplaoma tao amin’ny toeram-piofanana “Christ Seminary” an’ny TMAI any Afrika Atsimo ireo lehilahy ireo. Voatendry ho mpitandrina sy loholona ao amin’ny Fiangonana Batista Biblika Ankadivato, izay fiangonana “renin’ny FFBBM” (lehibe sy manana fiantraika be indrindra) i Haja nanomboka ny 14 janoary 2018. Ny fiangonana Ankadivato no ho “fiangonanana mampiantrano” ny seminera. Ny Seha-pampianarana Fitorian-Teny 3M tsinona dia maniry ny ho ministera mifototra amin'ny fiangonana. Ankoatra izay dia misy lehilahy roa fanampiny, Christian Rajohnsonarinavalona sy Fiderana Radrianjoary, ampiofanina any amin’ny TMS amin’izao fotoana izao ary hiverina ka ho isan’ny vondrona mampianatra rehefa vita ny fianarany.

Ny Mpiara-miasa Aminay

Ny Akademia Iraisampirenenan'ny Mpampianatra na TMAI

Ny Seha-pampianarana Fitorian-teny 3M dia sekoly mpikambana ao amin'ny "The Master's Academy International (TMAI)" na ny Akademia Iraisampirenenan'ny Mpampianatra.Nanomboka tamin'ny taona 1992 ny fiangonana "Grace Community Church" (Los Angeles, Kalifornia, Etazonia) dia nandefa ireo mpianatra nahazo diplaoma tao amin'ny "The Master's Seminary (TMS)" ho misionera manerana an'izao tontolo izao ka ny tanjona dia mba hanangana foibe fanofanana mpitandrina sy seminera fiofanana teolojika. 

Ankehitriny dia miparitaka manerana ny firenena maro ireo mpanompo ireo ary mampitombo hery sy manamafy orina ny fiangonana iraisampirenena amin’ny fanofanana sy fampitaovana ireo izay voantso hitory sy hitarika.

Ny TMAI no ministera izay manome tan-tsoroka ny ivon-toeram-piofanan'izy ireo amin'ny alalan'ny fanohanana ara-bola, ara-pahalalàna sy ara-pitantanana ho an'ireo sekoly mpikambana, ary miantoka ny fanarahan'ireo sekoly izay efa miorina an'ireo fepetra takian'ny TMAI ahafahany miditra ho mpikambana. Eo ambany fiahiany, ny TMAI dia ahitana ivon-toeram-piofanana sy seminera fito ambin'ny folo farafahakeliny manerana an'izao tontolo izao, izay samy naorin'ireo nahazo diplaoma avy amin'ny TMS na koa tantanany.

Ireo sekoly ireo, izay ahitana mpianatra maherin'ny 1.500 ankehitriny sy efa namoaka mpianatra nahazo diplaoma 4.000, dia mivoy fanambarana ara-potopampianarana iraisana sy tanjona mitovy — dia ny hanampy ny fiangonana isaky ny toerana tsirairay ifotony anivon'ny firenena isanisany mba hampiofana an'ireo mpitandrina ao aminy sy ireo mpitarika azy amin'ny fihazonana manontolo tsy misy pentina ny fahamarinana ara-baiboly. Noho izy ireo manantitrantitra manokana ny toriteny manazava ny hevitry ny Baiboly, ireo olona teratany isaky ny fireneny avy ireo dia voaofana mba hitandrina ara-Baiboly ny fiangonan’i Kristy ary hanankina ny fanompoany amin’izay lehilahy mahatoky eo anivon'ny taranaka vao misandratra ( 2 Timoty 2:2 ).

Araho ny pejinay

Tambajotra Sosialy

mgMG